Fiainam-bavaka
Page 1 sur 1 • Partager •
Fiainam-bavaka
Misaotra an'Andriamanitra hatrany noho ny fandrosoan'ny Asany.
Mitoera amin'ny Fitiavana dia ilay Fitiavan'Andriamanitra fa tsy ilay fitiavana fitaka an'izao tontolo izao.
Mifahara amin'ny Finoana fa tsy misy ahazoana sitraka eo anatrehan'Andriamanitra afatsy amin'ny finoana.
ary Mifalia amin'ny Fanantenana.
Fototra telo ijoroan'ny kristiana marina.

Ndriana- Diacre

-
Nombre de messages: 7
Age: 34
Localisation: voue 10150
Date d'inscription: 26/03/2008
Re: Fiainam-bavaka
Ny ahy dia misy tenin'ny Soratra Masina izay tavela ato an-tsaiko mandrakariva sy zaraiko hatrany amin'ireo tapaka sy namana manodidina ahy satria hitako sy tsapako fa miteny manokana amiko ka tsy sasatra aho mamerina azy ombieny ombieny.Isan'ny fampianarana nomena antsika Diakona nandritra ny fiomanantsika izy io ary tokony ho tsiahivintsika mandrakariva.
" Aoka ny Tenin'ny Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny Fahendrena rehetra ,dia mifampianara amin'ny Salamo sy ny Fihirana ary ny Tonon-kiram-panahy ,mihirà amin'ny Fahasoavana ao am-ponareo ho an' Andriamanitra.Ary na inona na inona ataonareo ,na amin'ny asa,dia ataovy amin'ny Anaran'i Jesoa Tompo izany rehetra izany ,ka misaora an'Andriamanitra Ray amin'ny alalany." Kolosiana 3: 16-17 .
Aoka mba ho tanteraka amintsika hatrany izany Teny izany na dia mandalo fisedrana aza isika indraindray ,miambena hatrany ary aoka ny tenintsika ho amin'ny Fahasoavana mandrakariva .Ary ny Tompo anie hanitsy ny lalantsika ka hampitombo sy hampandroso antsika amin'ny Fifankatiavana sy ny Fitiavana ny olona rehetra.
Dia ho tahian'ny Tompo hatrany anie isika mpiara-mivavaka eto Troyes.

Josiane- Diacre

-
Nombre de messages: 13
Localisation: Troyes
Date d'inscription: 26/03/2008
fiainam-bavaka
Antsoantso
Mandroso hatrany Asan'Andriamanitra , Voninahitra ho Azy irery ihany
hoy ny Tenin'Andriamanitra hoe "ny Finoana tsy arahin'asa dia maty"
Andriamanitra dia miantso ny olon-drehetra hiasa ho Azy ; fa hoy izy hoe "maro ny Asa fa vitsy ny mpiasa"
tsy ho ela dia hifidy ireo ho voahosotra ho diakona isika eto amin'ny tafo troyes.
aza mampiandry ny Tomponao fa efa ela Izy no niantso anao efa nandondona ela teo ambaravaran'ny fonao izy , sokafy ny fonao manolora tena amim-panetre-tena , aza miandry ho fidiana fa manantona ianao dia lazao hoe inty aho Jesosy vonona hanompo Anao ary hatramin'ny farany .
Porofoy eo anatrehan'ny Tompo ny Fitiavanao azy , ary eo anatrehan'ny ondrin'Andriamanitra ihany koa hampahery azy ireo , fa izay menatra ahy hoy ny Tompo dia mba ho menatra azy koa aho eo anatrehan'ny Anjelin'Andriamanitra.
Mahereza ary mihatanjaha fa fotoana izao fa tsy tompon'ny farany isika , raha misy fotoana mbola ahafahanao manompo Azy sy midera Azy dia aza miandry rahampitso ....
fa ny ampitso hoy ny Tompo dia hiahy ny azy .

Permission de ce forum:
Vous ne pouvez pas répondre aux sujets dans ce forum